Tsy rehefa mitomany ihany


Le clip vidéo officiel de « Fitiavanao ahy » par R. Mialy. Ecouter et télécharger la musique. Crédits :

Paroles

Mangirangiran-dratsy indray ny andronao
Dia izay vao mba mahalala miantso ny Tomponao
Mpanadinodino foana
Rehefa sendrasendra manoloana ny ady sarotra vao mahalala Azy

Tsaroanao daholo ve ny fifalianao
Dia impiry tamin'ireny no mba nizara ianao
Fantatro hoe fantany
Fa tsisy avy aminao ireny fa fanomezana avy Aminy

Dia eo ianao mifona, manokatra ny fonao
Fa tiako ianaranao androany
Hoe tsy rehefa mitomany ihany

Matetika adinodino ny hatsarany
Raha tsy hoe takona Ilay Ilo, Ilay Hazavana
Mpanadinodino foana
Rehefa sendrasendra manoloana ny ady sarotra vao mahalala Azy

Dia eo ianao mifona, dia eo mitalaho
Fa tiako ianaranao androany
Hoe tsy rehefa mitomany ihany

Tsy rehefa mitomany ihany
vao eo ianao miantsoantso Azy
Mendrika saotra foana Izy any
Na ny fahavelomanao fotsiny aza

Tsy rehefa mitomany ihany
vao eo ianao miantsoantso Azy
Mendrika saotra foana Izy any
Na ny fahavelomanao fotsiny aza

Dia eo ianao mifona, eo ianao mitalaho
Fa tiako ianaranao androany
Hoe tsy rehefa mitomany ihany